Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 26:60 - Baiboly Katolika

fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nefa tsy nahita izy ireo, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay niteny hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

saingy tsy nahita ry zareo na dia tonga maro teo aza ny mpiampanga lainga an’i Jesoa. Nony farany, dia nisy olona roa lahy tonga teo

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

saingy tsy nahita ry zareo na dia tonga maro teo aza ny mpiampanga lainga an’i Jesoa. Nony farany, dia nisy olona roa lahy tonga teo

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nefa tsy nahita izy ireo, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Ary nony farany dia nisy roa lahy tonga teo, izay niteny hoe:

Jereo ny toko



Matio 26:60
7 Rohy Ifampitohizana  

Aza manolotra ahy amin’ny haromotan’ireo mpanohitra ahy; fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy; olona tsy mihevitra afa-tsy ny fanaovana an-keriny.


Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin’ny zavatra tsy fantatro,


Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin’ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin’ny vavolombelona roa na tenin’ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.


marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.


Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.