Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa
Matio 26:30 - Baiboly Katolika Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva. Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva. Malagasy Bible Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva. La Bible en Malgache Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva. |
Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa
Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony Aho, ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.»
Tamin’ny antoandro no nampianatra tao an-Tempoly i Jesoa, fa nony avy ao dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Ary hoy ny Tompo: «Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororòka anareo tahaka ny vary,
Dia nivoaka nankany an-tendrombohitra Oliva araka ny fanaony Izy, ka nanaraka Azy koa ny mpianany.
fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.