ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
Matio 26:16 - Baiboly Katolika Hatramin’izay dia nikendry izay hamadihana Azy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hatramin’izay no nitadiavany izay andro hahazoany manolotra Azy. DIEM PROTESTANTA Ary nanomboka hatreo no nitadiavan’i Jodasy izay fotoana tsara hanolorany an’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanomboka hatreo no nitadiavan’i Jodasy izay fotoana tsara hanolorany an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hatramin’izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy. Malagasy Bible Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy. La Bible en Malgache Hatramin’izay no nitadiavany izay andro hahazoany manolotra Azy. |
ka nanao taminy hoe: «Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo Izy?» Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: «Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?»
Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.
Nony nilaza ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy i Paoly, dia raiki-tahotra i Feliksa ka nanao hoe: «Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho.»
Ary ny amin’i Apôlô havantsika, dia niangavy mafy taminy aho mba hiara-mandeha amin’ny havana iray finoana sasany hankany aminareo izy, saingy tsy mbola sitrany ny handeha ankehitriny, fa rehefa misy hahafahany dia ho avy ihany izy.