Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.
Matio 24:9 - Baiboly Katolika Amin’izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina ianareo, ary ho halan’ny firenena rehetra noho ny Anarako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hatolony hampijaliana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan’ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan’ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako. Malagasy Bible Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. La Bible en Malgache Ary hatolony hampijaliana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. |
Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.
Koa amin’izany, indro fa anirahako mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ianareo; fa ny sasany hovonoinareo sy hofantsihanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo amin’izay tanàna halehany,
Izany no nanaovan’ny Fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apôstôly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako.
Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.
Fa horoahiny amin’ny sinagoga ianareo ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra.
fa izao ihany no fantatray: toherina hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana izany; koa maniry handre izay hevitrao izahay.»
Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza, noho izany anarana izany.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Fantatro ny itoeranao, dia eo amin’ny misy ny seza fiandrianan’i Satana; nefa mitana mafy ny Anarako ianao, ka tsy nandà ny finoana Ahy na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiriko aza, izay lehilahy mahatoky Ahy sy novonoina teo aminareo, dia teo amin’izay onenan’i Satana.
Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.