Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Matio 24:5 - Baiboly Katolika fa maro no ho avy, amin’ny Anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa maro no ho avy amin’ny anarako hilaza hoe: Izaho no Kristy ka maro no ho voafitany. DIEM PROTESTANTA Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia»; ary maro ny olona ho voafitany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: «Izaho no ilay Mesia»; ary maro ny olona ho voafitany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. Malagasy Bible Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. La Bible en Malgache Fa maro no ho avy amin’ny anarako hilaza hoe: Izaho no Kristy* ka maro no ho voafitany. |
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa nihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!
Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga amin’ny Anarako, manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»
Izao no lazain’i Iaveh: Aza mamita-tena foana ianareo, ka manao hoe: «Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeanina»;
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.
Avy Aho amin’ny Anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy, amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy,
Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.»
Ka hoy i Jesoa taminy: «Rehefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko.
Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Iza no mandainga raha tsy izay mandà fa i Jesoa no Kristy? Ary ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa, dia tsy mba avy amin’Andriamanitra, fa fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa tonga eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.
Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.