Izany andro izany, dia ho safatsiroa ary fantatr’i Iaveh, ka tsy ho andro izy, tsy ho alina, ary amin’ny fotoan’ny hariva dia hisy ny mazava.
Matio 24:36 - Baiboly Katolika Fa ny amin’izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. DIEM PROTESTANTA –Ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, fa izy Ray irery ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ny amin’izay andro sy ora hahatongavan’izany dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, fa izy Ray irery ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. Malagasy Bible Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. La Bible en Malgache Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. |
Izany andro izany, dia ho safatsiroa ary fantatr’i Iaveh, ka tsy ho andro izy, tsy ho alina, ary amin’ny fotoan’ny hariva dia hisy ny mazava.
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»
Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.»
Fa hoy ny navaliny azy ireo: «Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.