Ary hoy i Jeremia tamin’i Saraiasa: Rehefa tonga any Babilôna ianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe:
Matio 24:1 - Baiboly Katolika Nony nivoaka avy tao amin’ny Tempoly i Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona Azy ny mpianany hampijery Azy ny rafitry ny Tempoly; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly. DIEM PROTESTANTA Dia niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. Malagasy Bible Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. La Bible en Malgache Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly. |
Ary hoy i Jeremia tamin’i Saraiasa: Rehefa tonga any Babilôna ianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe:
Mihatsarà ianao, ry Jerosalema fandrao ialàn’ny fanahiko ianao, ka ataoko zary efitra, tany tsy onenana.
Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»
Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie Izay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ka hoy ny Jody: «Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e?»