Matio 22:43 - Baiboly Katolika Ka nahoana àry i Davida, hoy Izy tamin’ireo, raha tsindrian’ny Fanahy Masina no miantso Azy ho Tompo, fa hoy izy hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Jesosy tamin’izy ireo: Koa nahoana ary i Davida, amin’ny Fanahy, no miantso Azy hoe Tompo, sady miteny hoe: DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana àry i Davida, rehefa nohazavain’ny Fanahy Masina, no miantso ny Mesia hoe: «Tompoko»? Fa izao no tenin’i Davida: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana àry i Davida, rehefa nohazavain’ny Fanahy Masina, no miantso ny Mesia hoe: «Tompoko»? Fa izao no tenin’i Davida: Baiboly Protestanta Malagasy Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin’ny Fanahy no manao Azy hoe ,,Tompo’’, ka manao hoe: Malagasy Bible Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe: La Bible en Malgache Fa hoy Jesosy tamin’izy ireo: Koa nahoana ary i Davida, amin’ny Fanahy, no miantso Azy hoe Tompo, sady miteny hoe: |
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
Koa mampahafantatra anareo aho, fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hanao hoe: «Anatema i Jesoa» ary tsy misy afa-milaza hoe: «I Jesoa no Tompo,» raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana nentin’ny sitrapon’ny olona, fa ny Fanahy Masina no nampiteny ny olo-masin’Andriamanitra izay notsindriany.
Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,
Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.