Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 20:4 - Baiboly Katolika

ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka fa izay tokony ho izy no homeko anareo. Dia lasa ireny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary niteny taminy hoe: «Ndeha koa ianareo miasa any an-tanimboaloboko fa homeko izay karama ara-drariny.» Dia nankany ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary niteny taminy hoe: «Ndeha koa ianareo miasa any an-tanimboaloboko fa homeko izay karama ara-drariny.» Dia nankany ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka hoy izy taminy: Mandehana koa hianareo hankany amin’ny tanimboaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo hankany amin'ny tanim-boaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka fa izay tokony ho izy no homeko anareo. Dia lasa ireny.

Jereo ny toko



Matio 20:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;


Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa.


Ary nony niala teo i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: «Andeha hanaraka Ahy ianao.» Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.


Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.


Ianareo tompo, manaova ny marina sy ny mety amin’ny mpanomponareo; fa fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo.


Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.


Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.