Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 17:1 - Baiboly Katolika

Rehefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko



Matio 17:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.


Ary nitondra an’i Piera sy izy roalahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy, dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy.


Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ny Tempoly Izy, dia nanontany Azy manokana i Piera sy i Jakôba sy i Joany ary i Andre nanao hoe:


Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.


Nony tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, mbamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy.


Indro, fanintelon’ny hankanesako atỳ aminareo izao. Ary hotapahina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny zavatra rehetra.


Fa tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa.


Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.