Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 17:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Rehefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 17:1
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niova tarehy teo anatrehan’izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany.


Nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa,


Ary nony nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Analanôliva tandrifin’ny tempoly i Jesoa, dia nanontany Azy manokana i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany sy i Andrea nanao hoe:


Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba.


Nony tonga tao an-trano i Jesoa, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba mbamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy.


Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.»


Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay.


Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin’i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra