Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho!»
Matio 15:26 - Baiboly Katolika Nefa novaliany hoe: «Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Izy namaly hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely. DIEM PROTESTANTA Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboakely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboakely. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely. Malagasy Bible Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. La Bible en Malgache Ary Izy namaly hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely. |
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho!»
Ary hoy ravehivavy: «Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.»
Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana;
fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
Mitandrema tena amin’ireo amboa, mitandrema tena amin’ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin’ireo manan-takaitra!
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.