Matio 15:13 - Baiboly Katolika Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Izy namaly hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. DIEM PROTESTANTA Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. Malagasy Bible Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. La Bible en Malgache Fa Izy namaly hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana. |
Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin’ny vahoakanao, ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo; dia izy ireo solofo namboleko, asan’ny tanako, noarîna ho voninahitro.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe: «Fantatrao va fa tafintohina ny Farisianina nandre izany teny izany?».
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra; ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.
Amin’ny sakafo iarahanareo mihinana, dia ireo no vato manafintohina, miletra tsy aman-kenatra, tsy mihevitra afa-tsy ny hamoky tena. Rahona tsy misy rano ireo, ka avoivoin’ny rivotra befahatany; hazo fararano, ka sady tsy am-boa no indroa maty sy voaongotra;