Matio 14:1 - Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany i Heroda mpanapaka dia nandre ny lazan’i Jesosy DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda mpanjaka ny lazan’i Jesoa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda mpanjaka ny lazan’i Jesoa, Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan’i Jesosy, Malagasy Bible Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy, La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany i Heroda mpanapaka dia nandre ny lazan’i Jesosy |
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: «Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.»
Tahaka izany koa i Herôda, fa namerina Azy ho atỳ amintsika Izy; ary indro tsy misy na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty.
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
Fa i Herôda tetrarka, izay nanariny noho ny amin’i Herôdiada vadin-drahalahiny sy noho ny ratsy rehetra nataony,
i Joana vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i i Herôda, ary i Sozana mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.
Tamin’izany andro izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana ny sasany anisan’ny Eglizy.
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,