Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 13:8 - Baiboly Katolika

ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.

Jereo ny toko



Matio 13:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Isaaka namafy tamin’izany ka nahavokatra avo zato heny izy tamin’io taona io.


Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny ary ny sasany telopolo heny.


Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;


Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany zato heny.»


Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enimpolo heny, ny sasany avo zato heny.»


Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.› »


ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.» Rehefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: «Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.»


Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.


Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara,


ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.