Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Matio 13:51 - Baiboly Katolika «Efa azonareo va izany?» «Eny» hoy izy ireo taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo Taminy: Eny. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Efa fantatrareo ve izany rehetra izany? Ka novalian’ireo hoe: –Eny, efa fantatray! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Efa fantatrareo ve izany rehetra izany? Ka novalian’ireo hoe: –Eny, efa fantatray! Baiboly Protestanta Malagasy Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny. Malagasy Bible Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny. La Bible en Malgache Azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo Taminy: Eny. |
Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»
Moa tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia midina any an-kibo ka ariana any an-katakonana?
Ahoana no tsy ahalalanareo fa tsy ny mofo no nantsoiko tamin’Izaho nilaza taminareo hoe: Tandremo ny lalivain’ny Farisianina sy ny Sadoseanina?»
Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky),
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
ary hoy Izy taminy: «Hay! ianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin’ny olona dia tsy mahaloto azy,
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.