Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 13:46 - Baiboly Katolika

Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa rehefa nahita vatosoa iray sarobidy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa nahita anankiray sarobidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany vatosoa izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nahita anankiray sarobidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany vatosoa izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa rehefa nahita vatosoa iray sarobidy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.

Jereo ny toko



Matio 13:46
15 Rohy Ifampitohizana  

raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;


Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.


Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.


Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara.


«Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;


Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»


Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.


Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,


Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.


dia ny volamena, volafotsy, vatosoa, voahangy, rongonim-bazaha, lamba volomparasy, parasily, jaky; sy ny hazo manitra isan-karazany rehetra, ny fanaka ivoara isan-karazany rehetra, ny fanaka isan-karazany rehetra natao tamin’ny hazo sarobidy sy ny varahina ary ny vy mbamin’ny vato sanga;


Ny vavahady roa ambin’ny folo dia voahangy roa ambin’ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalam-ben’ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra.