Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 13:36 - Baiboly Katolika

Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa avy nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano ary nanatona Azy ny mpianany dia niteny hoe: mba lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.

Jereo ny toko



Matio 13:36
13 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa dia nipetraka tao amoron-dranomasina.


Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.


Koa henoy àry ny hevitry fanoharana ny amin’ny mpamafy.


fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.


Dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandràvany ny vahoaka;


Nony nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambo kely ka nankany amin’ny tany Magedàna.


Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?». «Eny, Tompoko» hoy ireo taminy.


Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.


Dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka;


Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana,


Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.