Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!
Matio 13:14 - Baiboly Katolika ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe: Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tanteraka tamin’izy ireo ny faminanian’Isaia hoe: «Handre mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahazo izay lazaina ary hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahita; DIEM PROTESTANTA ka tanteraka aminy tokoa ny faminaniana voalazan’i Isaià hoe: «Hihaino dia hihaino ianareo fa tsy hahafantatra ary hijery dia hijery fa tsy hahita, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka tanteraka aminy tokoa ny faminaniana voalazan’i Isaià hoe: «Hihaino dia hihaino ianareo fa tsy hahafantatra ary hijery dia hijery fa tsy hahita, Baiboly Protestanta Malagasy Dia tanteraka aminy ny faminanian’Isaia, izay manao hoe: ,,Handre mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita; Malagasy Bible Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita; La Bible en Malgache Dia tanteraka tamin’izy ireo ny faminanian’Isaia hoe: «Handre mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahazo izay lazaina ary hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahita; |
Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!
«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.»
ka izao no navaliny azy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra.»
Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin’i Izaia hoe: «Tompo ô, iza no nino ny teny notorinay?»
Fa toa nihajamba ny sain’izy ireo, satria mandraka ankehitriny dia tsy nesorina taminy, fa mbola ao ihany, izany saron-tava izany raha mamaky ny tenin’ny fanekena taloha izy, fa ao amin’i Kristy ihany moa no anesorana izany.
Efapolo taona no nitondrako anareo tany an’efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin’ny tongotrareo tsy tonta,