Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 11:8 - Baiboly Katolika

Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Sa hizaha inona no nandehananareo? Olona mirentirenty fitafy va? Indro, ny mirentirenty fitafy dia any amin’ny tranon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon'ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Sa hizaha inona no nandehananareo? Olona mirentirenty fitafy va? Indro, ny mirentirenty fitafy dia any amin’ny tranon’ny mpanjaka.

Jereo ny toko



Matio 11:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»


tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.


Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy raha maminany izy; ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony, mba handaingany.


Nony lasa ireo, dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?


Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.


Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.


Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.


Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana,


tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin’ny fiaretan-tory matetika, tamin’ny hanoanana aman-ketaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.


Ny lehilahy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady mandry eo am-pofoany ary ny zanany sisa tsy novonoiny,


Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.