Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:41 - Baiboly Katolika

Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay mandray mpaminanin’Andriamanitra noho izy mpaminanin’Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin’Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan’olo-marina;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay mandray mpaminanin’Andriamanitra noho izy mpaminanin’Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin’Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan’olo-marina;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian’ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian’ny olona marina.

Jereo ny toko



Matio 10:41
27 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»


Lazao amin’ny marina fa sambatra izy, satria hihinana ny vokatry ny asany.


Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.


Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?


Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.


Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.


mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.


mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.


Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.


fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.


Ary rehefa vita Batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: «Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.» Nanaovany lemozy mihitsy izahay.


Manao veloma anareo i Gaiosy, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosy havantsika.


Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.


Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.


Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.