Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:27 - Baiboly Katolika

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eo amin’ny mazava ary izay ren’ny sofinareo dia torio eny an-tampon-trano.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eny amin’ny mazava; ary izay ren’ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eny amin’ny mazava; ary izay ren’ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eo amin’ny mazava ary izay ren’ny sofinareo dia torio eny an-tampon-trano*.

Jereo ny toko



Matio 10:27
16 Rohy Ifampitohizana  

Faminaniana ny amin’i Lohasahan’ny fahitana. Maninona ity ianao, no miakatra ambony tafon-trano avokoa,


ary izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony,


Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina dia ho re ao amin’ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano, dia hotorina eny an-tafon-trano.


ka izao no navaliny azy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra.»


Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo.


fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.


Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.


Dia hoy ny mpianany taminy: «Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.


Koa dia niady hevitra tamin’ny Jody sy ny prôselita tao amin’ny sinagoga izy, ary tamin’izay tafavory tao an-kianja isan’andro.


«Mandehana mankao amin’ny Tempoly, ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin’izany fiainana izany.»


«Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»


Noho izahay manana izany fanantenana izany àry, dia sahy tokoa izahay,