23 taona i Jôakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy any Lobnà.
Matio 1:11 - Baiboly Katolika i Josiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary i Josia dia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny fahababoana tany Babilona. DIEM PROTESTANTA I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy ary Josia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny nifindrana tany Babylona. Malagasy Bible ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona. La Bible en Malgache ary i Josia dia niteraka an’i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ny fahababoana tany Babilona. |
23 taona i Jôakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy any Lobnà.
Nentina ho babo avokoa i Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona.
Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny vahoaka be sisa rehetra,
Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’i Joasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.
Nentin’i Nabokodonozora ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persa.
izay tsy nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fony izy nitondra ho babo, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehiben’i Jodà sy i Jerosalema rehetra.
ary ny vahoaka sisa tamin’ny tany izay tafajanona teo, dia nentin’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, ho babo any Babilôna.
Ary rehefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.