Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Marka 9:48 - Baiboly Katolika Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. DIEM PROTESTANTA Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.» Baiboly Protestanta Malagasy any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. Malagasy Bible any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. La Bible en Malgache any ny kankany tsy maty ary ny afo tsy mety maty. |
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Miforà ho an’i Iaveh ianareo, ary ny fonareo no forao, ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema, fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy, noho ny haratsian’ny ataonareo.
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
«Tsara ny fanasina: fa rehefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.»
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»