Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:42 - Baiboly Katolika

Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny Gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Na iza na iza no manafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo dia tsara ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny tendany ka hatsipy any anaty ranomasina izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Na iza na iza mitarika ny anankiray amin’itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka hatsipy any anaty ranomasina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na iza na iza mitarika ny anankiray amin’itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka hatsipy any anaty ranomasina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Na iza na iza no manafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo dia tsara ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny tendany ka hatsipy any anaty ranomasina izy.

Jereo ny toko



Marka 9:42
19 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.


Fa izay hanafintohina anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny kosa, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka halentika any anatin’ny ranomasina izy.


Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?»


Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana.


fa ho araka ny voasoratra hoe: Ireo tsy nilazana Azy dia hahita ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.


Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny.


sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,


mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,


Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokantranony; ary tsy hanome basy hamelezan’ny fahavalo vava ratsy.


Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina.