Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 9:33 - Baiboly Katolika

Fa tsy niteny tsy nivolana izy, satria ny amin’ny izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: –Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niditra tao Kafarnahòma i Jesoa sy ny mpianany. Ary rehefa mby tao an-trano i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: –Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana teo iny?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nankany Kapernaomy izy ireo, koa rehefa tonga tao an-trano Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

Jereo ny toko



Marka 9:33
10 Rohy Ifampitohizana  

«Mandoa Izy» hoy i Piera. Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: «Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etỳ an-tany hetra sy hajia? ny zanany sa ny olon-kafa?»


Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?


ary i Jodasy IsKariota ilay namadika Azy.


sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.


Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.


Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.


Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.