Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.
Marka 8:35 - Baiboly Katolika Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny Filazantsara dia hahavonjy azy. DIEM PROTESTANTA Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. Malagasy Bible Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. La Bible en Malgache Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny Filazantsara dia hahavonjy azy. |
Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
«Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy,
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
nandraisan’ny vehivavy ny zanany maty voatsangana ho velona. Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa;
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.