Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Marka 7:29 - Baiboly Katolika Ary hoy Izy taminy: «Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakaovavy ny demony.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany dia mandehana ianao; efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demonia. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa taminy: –Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin’ny zanakao ny demony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa taminy: –Izany no teninao, ka dia modia fa efa niala tamin’ny zanakao ny demony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana hianao; efa nivoaka tamin’ny zanakao-vavy ny demonia. Malagasy Bible Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia. La Bible en Malgache Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany dia mandehana ianao; efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demonia. |
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: «Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.»
Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zananivavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.