Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: «Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?»
Marka 7:20 - Baiboly Katolika Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy Izy, no mahaloto ny olona; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy koa Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany, no mahaloto azy. DIEM PROTESTANTA Dia hoy koa i Jesoa: –Ny zavatra mipoitra avy ao amin’ny olona, izany no mahaloto ny olona; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy koa i Jesoa: –Ny zavatra mipoitra avy ao amin’ny olona, izany no mahaloto ny olona; Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Malagasy Bible Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. La Bible en Malgache Ary hoy koa Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany, no mahaloto azy. |
Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: «Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?»
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona,
fa izy izay tsy iray razana amin’izy ireo akory indray, dia sady nandray ny ampahafolon-karena tamin’i Abrahama no nitso-drano azy izay nahazo ny teny fampanantenana koa!
Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin’ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen’afo izy, ka mandrehitra ny fandehan’ny andro iainantsika.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?