Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.
Marka 6:51 - Baiboly Katolika Ary niakatra teo aminy teo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely Izy dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona izy ireo, DIEM PROTESTANTA Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra, Baiboly Protestanta Malagasy Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. Malagasy Bible Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. La Bible en Malgache Ary niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely Izy dia nitsahatra ny rivotra. Talanjona izy ireo, |
Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.»
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: «Mangina, mitonia.» Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: «Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.»
Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.