ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Marka 6:46 - Baiboly Katolika ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa avy nanao veloma ny vahoaka i Jesoa, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa avy nanao veloma ny vahoaka i Jesoa, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. Malagasy Bible Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. La Bible en Malgache Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. |
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.
Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety.
Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly, vao nanao veloma ny havana iray finoana, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin’i Prisila sy i Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.
fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: «Mbola hiverina atỳ aminareo ihany aho raha sitrak’Andriamanitra»; dia niala tao Efezy izy;
dia tsy nandry ny fanahiko, satria tsy hitako tao i Tito rahalahiko; ka nanao veloma ny olona aho, dia lasa nankany Masedônia.
Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: