Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
Marka 5:40 - Baiboly Katolika Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niampàran-drazazavavy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza. DIEM PROTESTANTA Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy an-drazazavavy. Malagasy Bible Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy. La Bible en Malgache Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy dia nitondra ny ray aman-drenin’ny zaza mbamin’izay olona teo aminy ka niditra tao amin’izay nisy ny zaza. |
Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’i Iaveh i Elisea.
Nony nandre izany, i Sanabalata Hôrônita, sy i Tobia ilay mpanompo Amônita, ary i Gôsena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: «Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin’ny mpanjaka angaha ianareo?»
Fananihànin’ny sakaizako aho, izaho izay miantso an’Andriamanitra, ka nohenoin’Andriamanitra. Fananihàniny aho, ilay marina, ilay tsy manan-tsiny!
tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay aloaky ny vava, izany no mahaloto ny olona.»
Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: «Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.»
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.»
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy.
Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: «Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.»