Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:36 - Baiboly Katolika

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagoga hoe: «Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy nahoan’i Jesosy anefa izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa tsy nahoan’i Jesoa izany teny izany, ka hoy Izy tamin’ilay lehiben’ny sinagôga: –Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa tsy nahoan’i Jesoa izany teny izany, ka hoy Izy tamin’ilay lehiben’ny sinagôga: –Aza matahotra, minoa fotsiny ihany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy nahoan’i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny syngoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy nahoan’i Jesosy anefa izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny sinagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

Jereo ny toko



Marka 5:36
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»


Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»


Raha mbola niteny izany tamin’ireo Izy, dia indro nisy lehiben’ny sinagoga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: «Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy.»


Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagoga atao hoe Jaira, ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,


Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.»


Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.»


Ren’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny rain’ilay zazavavy: «Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao.»


Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?»