Raha misy mosary amin’ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan’ny fahavalo fahirano azy amin’ny taniny, amin’ny vavahadiny, na hisian’ny loza aman’aretina, na inona na inona izy,
Marka 5:29 - Baiboly Katolika Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. DIEM PROTESTANTA Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsapany tao amin’ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsapany tao amin’ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Malagasy Bible Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy. La Bible en Malgache Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. |
Raha misy mosary amin’ny tany, na misy pesta, na misy aretim-bary, na niela, na valala, na kasily, na avy izay hanaovan’ny fahavalo fahirano azy amin’ny taniny, amin’ny vavahadiny, na hisian’ny loza aman’aretina, na inona na inona izy,
Mankalaza Anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy Ianao, tsy nataonao ho fifalian’ny fahavaloko aho.
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
Nefa raha hitan’ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian’ny nandalorana ny trano, dia holazaina fa madio ny trano satria sitrana ny fery.
Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin’ny fadim-bolana ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan’ny rany izy, ary hofongorana amin’ny fireneny izy roaroa.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-dra nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
Ary hoy Izy taminy: «Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin’ny aretinao.»
Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferin’aina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa,