Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony, nanao hoe: «Izao sy izao avy no nolazain’ilay zazavavy kely, avy amin’ny tanin’i Israely.»
Marka 5:19 - Baiboly Katolika fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy: «Andeha ihany mody any an-tranonao any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy navelan’i Jesosy anefa izy, fa hoy kosa Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao, any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. DIEM PROTESTANTA Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe: –Andeha mody any an-tranonao, any amin’ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon’ny Tompo taminao noho ny famindrampony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe: –Andeha mody any an-tranonao, any amin’ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon’ny Tompo taminao noho ny famindrampony. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa tsy navelan’i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. Malagasy Bible Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. La Bible en Malgache Tsy navelan’i Jesosy anefa izy, fa hoy kosa Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao, any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. |
Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony, nanao hoe: «Izao sy izao avy no nolazain’ilay zazavavy kely, avy amin’ny tanin’i Israely.»
Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko
Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy, ary gaga ny olona rehetra.
«Modia any an-tranonao, ary tantarao ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminao.» Dia lasa izy nitory eran’ny tanàna ny soa nataon’i Jesoa taminy.
«Andeha ianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy?»