Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:17 - Baiboly Katolika

dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nifona tamin’i Jesosy izy ireo mba hialany amin’ny faritaniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay dia nitalahoan’ny olona i Jesoa hiala teo amin’ny taniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay dia nitalahoan’ny olona i Jesoa hiala teo amin’ny taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nifona tamin’i Jesosy izy mba hiala amin’ny taniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nifona tamin’i Jesosy izy ireo mba hialany amin’ny faritaniny.

Jereo ny toko



Marka 5:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abimeleka nanao tamin’i Isaaka hoe: «Mandehana miala aty aminay ianao, fa efa mahery lavitra noho izahay.»


Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»


Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.


nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»


ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy,»


Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: «Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho»;


Tamin’izay ny mponina rehetra tao amin’ny tanin’ny Gerasena nangataka Azy hiala teo aminy, satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo i Jesoa fa ndeha hiverina.


Dia tonga tokoa izy ireo, ka nifona taminy mba hivoaka, sy niangavy taminy mba hiala amin’ny tanàna.


«Ren’i Iaveh teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy i Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain’io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.