Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:14 - Baiboly Katolika

Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny mpiandry azy ireo dia nandositra ka nilaza ny zava-nitranga tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia tonga ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandositra ireo mpiandry kisoa ka lasa nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. Koa avy ny olona hijery ny zava-niseho,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandositra ireo mpiandry kisoa ka lasa nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. Koa avy ny olona hijery ny zava-niseho,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny mpiandry azy ireo dia nandositra ka nilaza ny zava-nitranga tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia tonga ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko



Marka 5:14
5 Rohy Ifampitohizana  

Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.


Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.


Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina.


Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terỳ.


Nandositra ny mpiandry nony nahita izany, ka lasa nilaza izany tany an-tanàna sy tany an-tsaha.