Aza ny hamaintiko no jerena, fa ny hainandro no nampivalomainty ahy: tezitra tamiko ny zanak’i neny; nasainy niandry tanimboaloboka aho, ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.
Marka 4:6 - Baiboly Katolika fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsaka lalina ka maina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo ireo satria tsy namahatra tsara dia maty. DIEM PROTESTANTA saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina satria tsy namaka lalina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina satria tsy namaka lalina. Baiboly Protestanta Malagasy Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. Malagasy Bible Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. La Bible en Malgache Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo ireo satria tsy namahatra tsara dia maty. |
Aza ny hamaintiko no jerena, fa ny hainandro no nampivalomainty ahy: tezitra tamiko ny zanak’i neny; nasainy niandry tanimboaloboka aho, ny tanimboaloboko, ny ahy, tsy mba nandrasako.
Ianao no trano mimanda ho an’ny osa, trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany, fialofana amin’ny hainandro midaindaina, fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.
Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina;
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an’izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena.
Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanankarena, halazo amin’izay alehany izy.
Amin’ny sakafo iarahanareo mihinana, dia ireo no vato manafintohina, miletra tsy aman-kenatra, tsy mihevitra afa-tsy ny hamoky tena. Rahona tsy misy rano ireo, ka avoivoin’ny rivotra befahatany; hazo fararano, ka sady tsy am-boa no indroa maty sy voaongotra;
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.