Marka 4:36 - Baiboly Katolika Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’io sambokely io tamin’izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. Malagasy Bible Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. La Bible en Malgache Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy. |
Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka, fandrao dia poritin’ny olona Izy.
Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray Izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy.
ka vao niala tao an-tsambo kely Izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy.
Ary rehefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray, dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Indray andro dia niditra tao amin’ny sambo kely anankiray i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: «Andeha isika hiampita eny an-dafin’ny farihy,» dia niainga izy ireo.