Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 4:27 - Baiboly Katolika

ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin’ny fomba tsy fantany akory.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa na matory izy ny alina, na mahatsiaro izy ny antoandro, dia mitsimoka sy mitombo ny voa amin’ny fomba tsy fantany akory.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka matory sy mahatsiaro isan-alina sy isan-andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka na matory izy na mahatsiaro, na alina na andro, ny voa dia mitsimoka ka mitombo ihany, nefa tsy fantany ny faniriny.

Jereo ny toko



Marka 4:27
8 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka, no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.


hitako fa hain’olombelona fantarina ny asa atao atỳ ambany masoandro; misasatra mitady ny olombelona fa tsy mahita, na maniry te-hahalala aza ny hendry dia tsy mahatakatra koa.


Ary hoy koa Izy: «Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,


fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.


Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.


Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.