Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny olona ao Jodà sy Jerosalema: Asao ny tany vaonareo, ary aza mamafy amin’ny tsilo.
Marka 4:18 - Baiboly Katolika Ireo mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no nandre ny teny, DIEM PROTESTANTA Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, Malagasy Bible Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, La Bible en Malgache Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ny tsilo, dia ireo no nandre ny teny, |
Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny olona ao Jodà sy Jerosalema: Asao ny tany vaonareo, ary aza mamafy amin’ny tsilo.
Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
nefa tsy miorina lalina ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fìtaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.