Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 3:8 - Baiboly Katolika

Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidona no nankeo aminy nony nandre ny nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Jerosalema, Edoma, avy tany andafin’i Jordana sy ny tany manodidina an’i Tiro sy i Sidona izay nandre izay zavatra nataony ka nankany Aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

sy avy any Jerosalema, avy any Idomea sy andafin’ny ony Jôrdàna, ary avy amin’ny faritra manodidina an’i Tiro sy i Sidôna. Samy nandre izay nataon’i Jesoa izy rehetra ka nanatona Azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sy avy any Jerosalema, avy any Idomea sy andafin’ny ony Jôrdàna, ary avy amin’ny faritra manodidina an’i Tiro sy i Sidôna. Samy nandre izay nataon’i Jesoa izy rehetra ka nanatona Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’i Jordana ary tamin’ny tany manodidina an’i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Jerosalema, Edoma, avy tany andafin’i Jordana sy ny tany manodidina an’i Tiro sy i Sidona izay nandre izay zavatra nataony ka nankany Aminy.

Jereo ny toko



Marka 3:8
18 Rohy Ifampitohizana  

dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka fa tomponao izy; ka tolory fanajana.


Amin’ireo mahalala ahy hotononiko i Rahaba sy i Babilôna; indreo koa ny Filistinina sy i Tira mbamin’i Etiôpia: tao ireo no teraka.


Fa efa mamon-dra teny amin’ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edôma, ho any amin’ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.


Toy ny nifalianao, ny amin’ny lovan’ny taranak’i Israely tamin’ny faharavàny, toy izany no hataoko aminao: ho rava ianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin’i Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.


noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Eny, noho ny firehitry ny fahasaro-piaroko, no nitenenako namely izay sisa amin’ny firenena sy namely an’i Idomea manontolo izay nisazoka ny taniko ho fananany tamin’ny hafalian’ny fony rehetra sy tamin’ny fanesoan’ny fanahiny, hataony fandroba foana.


ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.


Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy.


Nony niala teo Izy dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.


Niala indray tany amin’ny faritanin’i Tira i Jesoa, ary namaky ny faritanin’i Sidona ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.


Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidona amorontsiraka,


Ny anjara lasan’ny fokon-taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin’ny filokana, dia nitatra hatrany amin’ny faritanin’i Edôma hatrany amin’ny efitra Sina any atsimo any amin’ny farany atsimo.


Ny tanàna izay ao amin’ny fara sisin’ny fokon-taranak’i Jodà, manolotra ny faritanin’i Edôma, ny tao amin’i Negeba, dia i Kabseela, i Edera, i Jagora,