Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 3:29 - Baiboly Katolika

fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelankeloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.

Jereo ny toko



Marka 3:29
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.


Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: «Miteny ratsy an’Andriamanitra Ilay io.»


Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».


Satria hoy izy ireo hoe: «Manana Fanahy maloto Izy.»


Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.


Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,


onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin’ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin’ny haizim-pito mandrakizay.


Toy izany i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin’ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.