Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 3:29 - DIEM PROTESTANTA

29 fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelankeloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin’ny ota mandrakizay izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 3:29
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpahay lalàna dia nanao anakampo hoe: «Manevateva an’Andriamanitra ilay io!»


Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.


Nilaza manko ireo mpahay lalàna fa hoe fanahy maloto no ao amin’i Jesoa.


Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.


Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin’ireo, ka tsy hifanatri-tava amin’ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo


toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.


toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra