Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 3:27 - Baiboly Katolika

Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny mahery sy mandroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’olona matanjaka mba handroba ny fananany, raha tsy voafatony aloha ilay olona matanjaka; dia izay izy vao mandroba ny ao an-trano.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’olona matanjaka mba handroba ny fananany, raha tsy voafatony aloha ilay olona matanjaka; dia izay izy vao mandroba ny ao an-trano.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko



Marka 3:27
17 Rohy Ifampitohizana  

Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»


Amin’izany andro izany i Iaveh hamaly, amin’ny sabany sady lehibe no mahery, an’i Leviatàna ilay menarana faingam-pandeha, an’i Leviatàna ilay menarana miforiporitra, ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina.


Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.


Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;


Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha izay mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.


Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.


Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.


Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,


Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.


Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.