Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 3:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Kanefa tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’olona matanjaka mba handroba ny fananany, raha tsy voafatony aloha ilay olona matanjaka; dia izay izy vao mandroba ny ao an-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Kanefa tsy misy olona afaka hiditra ao an-tranon’olona matanjaka mba handroba ny fananany, raha tsy voafatony aloha ilay olona matanjaka; dia izay izy vao mandroba ny ao an-trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny mahery sy mandroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ny mahery ka handroba ny entany raha tsy afatony aloha ilay mahery dia izay vao robainy ny ao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 3:27
17 Rohy Ifampitohizana  

Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.


Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra ny TOMPO ka handray sabatra mafy sady lehibe no mahery hamelezana ny Leviatana, ilay bibilava mitsoriaka sy mihorongorona; ary hovonoin’ny Tompo izany dragona an-dranomasina izany.


Noho izany, dia homeko anjara lova eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy ka olona alikisa no hataony babo, satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy; eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon’ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.


Ankehitriny no hanamelohana an’izao tontolo izao; ankehitriny no handroahana ny filohan’izao tontolo izao.


Ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana kosa hanorotoro faingana an’i Satàna eo ambany tongotrareo! Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompontsika!


Koa ny hazofijaliana no nandravan’i Kristy ny herin’ny fanapahana sy fahefana; dia nataony babo ireo ka nanjohy ny matsom-pandreseny ary nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona.


Koa satria moa olombelona nofo aman-dra ireo zaza, dia tonga olombelona tahaka azy koa i Jesoa. Izany no nataony, dia ny mba handalovany amin’ny fahafatesana ka hahatonga ilay mitana ny herin’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, tsy hahavita na inona na inona intsony


Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly dia mpanota hatrany am-boalohany. Ary ny anton’ny nisehoan’ilay Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly.


Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra