«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.
Marka 2:27 - Baiboly Katolika Dia hoy koa Izy taminy: «Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata, DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Jesoa tamin’ny Farisianina: –Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Jesoa tamin’ny Farisianina: –Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata; Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata. La Bible en Malgache Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny Sabata, |
«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.
Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin’izy ireo, mba hahalalany fa Izaho no Iaveh manamasina azy.
ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?»
Ka raha foràna ny olona na dia amin’ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn’i Môizy, nahoana no dia tezitra amiko ianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin’ny sabata ny tenany manontolo?
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.
«Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny ankizy lahinao na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao.
Koa aoka ianareo tsy hotsarain’olona ny amin’ny fihinana amam-pisotro, na ny amin’ny andro fety aman-tsinam-bolana, na ny amin’ny andro sabata,