Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?
Marka 16:14 - Baiboly Katolika Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy. DIEM PROTESTANTA Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. Baiboly Protestanta Malagasy Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary Izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy. Malagasy Bible Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy La Bible en Malgache Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?
Ary tamin’izay, dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro Izy, satria tsy nibebaka ireo,
Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»
ary hoy Izy taminy: «Hay! ianareo koa mba kely fahalalana toy izany. Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin’ny olona dia tsy mahaloto azy,
Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Ry adala, sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany!
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: «Efa nahita ny Tompo izahay.» Fa hoy izy tamin’ireo: «Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho.»
Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tomà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»
Ary hoy izy tamin’i Tomà: «Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino.»
Taorian’izany, dia niseho tamin’ny mpianany teo amoron-dranomasin’i Tiberiady indray i Jesoa, ary toy izao no nisehoany.
Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.