Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 28:17 - Baiboly Katolika

17 Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary nony nahita Azy izy ireo dia niankohoka, nefa ny sasany dia nisalasala.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 28:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.


Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina: hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,


Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’olona avy, amin’ny fanjakany.»


Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.


Nefa nony nandre izy ireo fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy.


Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa.


Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo.


mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy.


Taorian’ny nijaliany, dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa Izy, sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy, ary nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.


Manaraka izany dia niseho tamin’ny havana iray finoana tsy omby dimanjato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra