Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Marka 14:6 - Baiboly Katolika Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tamiko. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana hianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. Malagasy Bible Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. La Bible en Malgache Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tamiko. |
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Nahalala izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Nahoana ianareo no manao ny mampalahelo an-dravehivavy io? Asa soa izay vao nataony tamiko:
Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.» Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo.
fa ny mahantra dia hisy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva;
Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.
ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,
Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.
Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.
ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,
Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.
Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.